Tsy mety mihalefy efa am-polo taona maro izay ny fitanana vonjimaika tsy ara-drariny, tafahoatra, mitarazoka eto Madagasikara ary misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fomba fiasan’ny rafi-pitsarana ady heloka bevava izany. ty tatitra ity dia manasongadina ny fiantraikan’ny fihazonana vonjimaika tsy ara-drariny, tafahoatra sy mitarazoka ary koa ny tsy fahombiazan’ny fanjakana amin’ny famahana ny olan’ireo fepetra tsy manaja ny maha olona mihatra amin’ireo voafonja, toy ny fametrahana azy ireo amin’ny toerana tery sy maloto, ny tsy fahampian’ny sakafo no sady mbola tsy zarizary sy ny tsy fisian’ny fitsaboana sahaza.

