Madagasikara: Mpanao gazety notanana am-ponja vonjimaika satria lasa ataon’ny fitondram-panjakana fitaovana fampitahorana ny mpanao gazety ny fisian’ny valan’aretina COVID-19

Tokony havoakan’ny fitantanam-panjakana Malagasy avy hatrany tsy misy fepetra ilay mpanao gazety notànana am-ponja rehefa nampangaina ho nanakiana ny fepetra noraisin’ny filoham-pirenena hiadiana amin’ny valan’aretina COVID-19, hoy ny Amnesty International androany. Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny 4 aprily lasa teo i Arphine Helisoa, talen’ny fanaovan-gazety “Ny Valosoa”. Taorian’ny lahatsoratra iray nosoratany sy navoakany tamin’ny gazety “Ny valosoa” tamin’ny alalan’ny aterineto dia voapanga ho nanaparitaka vaovao tsy marina izy ka nandrangitra ny mpamaky hankahala ny Filoha Andry Rajoelina; io gazety io izay heverina fa manana fifandraisana akaiky amin’ny akaikin’ny mpanohitra.

Choose a language to view report

Download PDF