Tamin’ny 21 Aprily, nosamborin’ny zandary tamin’ny fomba tsy ara-drariny sady tsy nisy didy fisamborana i Rakotoarijaona Vonimahery (fantatra amin’ny anarana hoe ‘Mahery’), mpikatroka, teo amin’ny toeram-piasany tao Antananarivo Renivohitra. Notanana tao amin’ny sampana misahana ny heloka bevava (Brigade Criminelle) izy, ka voatana nandritra ny iray herinandro teo ho eo, ary tsy nahazo nifandray tamin’ny mpisolovava, ary voampanga ho nanao “firaisana tsikombakomba heloka bevava”.

