Madagasikara: ‘Izany fijaliana izany dia manenjika ahy na dia aty aza’: Ny tolona ho an’ny zon’olonombelona ataon’ny vahoaka antandroy nifindra monina noho ny fiovan’ny toetrandro any atsimon’i Madagasikara

Ity tatitra ity dia mandinika ny fifindra-monina vokatry ny fiovan’ny toetrandro nataon’ny vondrona Antandroy avy any amin’ny faritra Androy, atsimon’i Madagasikara, ho any amin’ny faritra Boeny, 1 500 km any avaratra. Ny haintany, anisan’ny loza ara-toetrandro lehibe indrindra eto amin’ny nosy, dia nanosika an’arivony handositra ny mosary.

Choose a language to view report

Download PDF