Tokony hatsahatrin’ny fanjakana ny fampiangana an’ireo Mpiaro ny zon’olombelona miady amin’ny kolikoly

Noho ny fotoana hankalazan’izao tontolo izao ny Andro Iraisam-pirenena hiadina amin’ny Kolikoly sy ny faha-24 taonan’ny
fankatoavana ny Fanambaran’ny Firenena Mikambana momba ny Mpiaro ny Zon’olombelona amin’ity andro 9 Desambra
2022 ity, izahay, fikambanana sy olon-tsotra mpanao sonia eto ambany, dia manentana ny firenena mpikambana rehetra
ao amin’ny Firenena Mikambana mba hampitsahatra ny fampiangana an’ireo mpiaro ny zon’olombelona miady amin’ny
kolikoly, ary hanaja, hiaro, hampiroborobo ary hanatanteraka ny zon’olombelona rehetra, anisan’izany ireo miasa
hampiroborobo sy hiaro ny zon’ny hafa sy hiady ary hanala sarona ny kolikoly.

Choose a language to view report

Download PDF