Voahenjika ireo mpanao hetsika eto Madagasikara noho ny hetsi-panoherana sy hetsika tarihin’ny tanora, ka manitsakitsaka ny zony amin’ny fahalalahana maneho hevitra, ny fahalalahana miara-mivondrona ary ny fahalalahana mivory am-pilaminana izany. Voatana am-ponja tsy ara-drariny i Herizo Andriamanantena, Carine Rakotomanantoanina, Rija Andriamalala ary Nomena Elia Ratsihorimanana noho ny fiampangana manjavozavo, raha i Harnelle Rakotobe sy Arimamy Todisoa kosa atahorana hiharan’izany ihany koa taorian’ny fiampangana tsy misy fototra. Tsy maintsy avotsotr’ireo manam-pahefana avy hatrany ireo rehetra voatazona noho ny fampiharany ny zony maha-olona, ary tsy maintsy atsahatra ny fanorisorenana, fampitahorana, fandrahonana ary famoretana mitohy eto amin’ny firenena.

